2 Corinthians 13

1Fanintelony izao no nandalovako aty aminareo. “Ny fiampangana rehetra dia tsy maintsy miorina amin’ny porofo amin’ny vavolombelona roa na telo.” 2Efa niteny tamin’ireo izay nanota ao taloha sy tamin’ireo ambiny rehetra rehefa teo fanindroany, ary lazaiko indray izany: “Rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra azy ireo aho.”

3Miteny anareo izany aho satria ianareo dia mitady porofo fa i Kristy dia miteny amin’ny alalako. Tsy marefo aminareo Izy. Fa kosa, mahery ao aminareo Izy. 4Fa Izy nohombohana amin’ny fahalemena, nefa velona tamin’ny herin’Andriamanitra. Fa isika kosa dia marefo ao aminy, kanefa isika dia miara-miaina amin’ny herin’Andriamanitra eo anivonareo.

5Diniho ny tenanareo raha tianareo ho hita fa ao amin’ny finoana ianareo. Tsapao ny tenanareo. tsy mbola azonareo an-tsaina ve izany momba ny amin’ny tenanareo fa i Jesosy Kristy dia ao aminareo? -Raha toa ianareo ka tsy nahomby tamin’ny fitsapana. 6Ary izaho mahatoky fa ianareo dia hiaiky fa isika dia nahomby amin’izany fitsapana izany.

7Ankehitriny isika dia mivavaka amin’Andriamanitra fa tsy afaka ny anao zavatra ratsy ianareo. Izaho dia tsy mivavaka ny afaka ahitana fa isika dia nahomby amin’ny fitsapana. Fa kosa, izaho dia nivavaka ny mba ahafahanareo manao izay mety kanefa isika dia mety ho hita ho toy ny tsy nahomby tamin’ny fitsapana. 8Fa isika dia tsy afaka ny hanao zavatra manohitra amin’ny fahamarinana, fa ho an’ ny fahamarinana irery ihany.

9Fa isika dia mifaly rehefa marefo ary mafy ianareo. Fa isika ihany koa dia mivavaka mba ho ataontsika feno ianareo. 10Manoratra ireto zavatra ireto aho raha manalavitra anareo aho, ka rehefa miaraka aminareo aho dia tsy voatery mitondra anareo an-katezerana amin’ny fampiasana ny fahefako- izay nomen’ny Tompo ahy, mba ananganako anareo, ary tsy hanimba anareo.

11Farany, ry rahalahy, mifalia! miasà ho amin’ny famerenana amin’ny laoniny, mahereza, mifaneke ny tsirairay, miainà am-piadanana, ary ny Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana dia hiaraka aminareo. 12Mifampiarahabà ianareo amin’ny fanorohona Masina.

13Ireo mpino rehetra dia manao veloma anareo. [Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany dia manambatra ny andininy faha 13 amin’ny andininy faha 12 ary manao ny andininy faha14 ho andininy faha 13. ] 14Enga anie ny fahasoavan’ny Tompo Jesosy Kristy, ny fitiavan’Andriamanitra, sy ny fiarahana amin’ny Fanahy Masina ho ao aminareo rehetra.

Copyright information for PltULB